ActualitésTatitra

Maurice : Efa mandeha ny fifampiraharahana amin’ireo orinasa ao Dubaï manoloana ny famatsiana solika

Andrasana amin’ity herinandro ity ny filazana momba ny mpamatsy solika vaovaon’ny nosy Maurice ho an’ny volana novambra 2023 hatramin’ny oktobra 2024. Raha ny fanazavana dia ny Sahara Energy Ressource Ltd, OQ Trading ary ny B.B Energy no orinasa telo mifaninana hahazo ny fifanarahana famatsiana solika avy amin’ny State Trading Corporation ho amin’io fe-potoana io.

Raha ny loharanom-baovao dia teknisianina roa avy amin’ny STC no nakao Dubaï nanao fifampiraharaha tamin’ireo mpamatsy solika. Marihana fa orinasa 4 hafa ihany kosa no namaly ny « appel d’offres » nanomboka ny 31 kjolay teo dia ny KZN Oils PTY Ltd, Augusta Energy, Coral Energy DMCC ary ny Vitol Bahrain E.C.

Raha tsiahivina kosa dia ny orinasa Mangalore Refinery ao Inde no namatsy solika ny nosy teo aloha.

Laisser un commentaire