ActualitésSocialTsidika

Anjeva : Nankalaza ny faha-8 taona nijoroany ny OP Fanomezantsoa

Nankalaza ny faha valo taona nitsanganany (2016-2023), ny 11 Aogositra teo ny fikambanan’ny tantsaha (OP Fanomezantsoa) ao amin’ny kaominina Anjeva. Ity fikambanana ao an-toerana ity izay mifototra amin’ny « agro-écologie » izay miompana indrindra amin’ny fiompiana akoho sy ny fambolena anana organika, araka ny voalaza.

« Hafaliana no niarahana tamin’ny fikambanana nandritra ny fankalazana ny faha valo taona nitsanganany izay. Ny fikambanana moa dia misy vovonana roa, dia ny Akoho gasy sy ny Legioma ary misehatra amin’ny fampihenana ny fampiasana ny tahan’ny zezika simika. Izany tetikasa izany dia vatsian’ny vondrona Eropeanina vola » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Tetikasa tahaka izao mihitsy no tsara ampiharina ety ambanivohitra sy ampianarina ny tantsaha na ny tanora. Ao anatin’izany, sady mikolo ny tontolo iainana, no manatsara ny fihariana sy ny fahasalamana ireo vokatra azo ka tsy mahafaty antoka fa mifanaraka amin’ny fampandrosoana lovain-jafy » hoy i Simon, mpianatra momba ny agronomie.

Efa misy moa ny fandaminana ny tetiandro mahakasika ny fampiharana ity tetikasa ity manerana ny fokontany ao anatin’ny kaominina, raha ny voalazan’ny tomponandraikitra hatrany. Samy hisy izany avokoa ny fokontany ao an-toerana, fa raha ho an’ny asa manaraka, dia ny fokontany Imaola Vohitsara no hanatanterahana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire