Alasora : Nanomboka ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra
Nanomboka ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. Nitarika izany ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna, narahan’ireo mpiara-miasa aminy. Ny talata teo no nanomboka ny fizarana ny solombodiakoho ho an’ireo zokiolona isan-tokatrano izy ireo, araka ny voalaza.
« Nitsidika sy nanatitra ny solombodiakoho ho an’ireo zokiolona tsy afaka namonjy teny amin’ny Yandy by Pass tamin’ny 21 Jona teo ny Ben’ny tanana. Maro izy ireo no tratry ny tsy fahasalamana. Teny amin’ny Fokontany Mahitsy, Mandikanamana, ary Ankazobe no voatsidika ho an’ity andiany ity » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.
« Nandritra izany fotoana ihany koa nijerevana tety ifotony ireo asa mbola miandry, sy nihainoana ireo hetahetan’ny vahoaka. Mbola hitohy ity fitsidihana ity araka ny tetiandro efa voalamina niaraka tamin’ireo sefo fokontany » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny zava-dehibe ho an’ny zokiolona ny hetsika sy ny ezaka tahaka izao. Maro tokoa ireo zokiolona no efa marefo, tsy afaka ny andeha lavitra intsony ka ny fanohanana sy fikarakarana tahaka izao dia ery lehibe ho azy ireny, ary mendrika halain-tahaka.
Manitra R.
