Alasora : Nibata hatrany ny fandresena nandritra ny lalao nataony
Nibata ny fandresena nanoloana ny ekipan’ny Kaominina Manandriana tamin’ny isa 3 noho ny 1 indray ny kaominina Alasora nandritra ny lalao baolina kitra hifampitaoman’ny kaominina rehetra eto Avaradrano.
Tetsy amin’ny kianjana Isahafa Anosy Avaratra no nanatanterahana ny lalao ny faran’ny herinandro lasa teo. « Hita ny ezaka eo amin’ny kaominina tsirairay, saingy lalao ihany izy ity ka iray ihany no hivoaka ho mpandresy, ka aoka samy hahay hanaiky izay valiny eo isika » hoy ny mpikarakara. « Ankasitrahana hatrany ny ezaka ataon’ny ekipan’ny Kaominina Alasora nandritra izay lalao telo izay izay nibatantsika hatrany ny fandresena » hoy ny ben’ny tanàna ao, Randriantsoa Jimmy.
« Ny zava-dehibe dia tsy nisy nitsanga-menatra ny kaominina tsirairay ary tena samy vonona hitondra avo ny tanànany hatrany ireo mpilalao » hoy i Clarissa, mponina ao Anosy Avaratra nanatrika ny lalao tany an-toerana. Miady ny lalao, izay natao am-pirahalahiana tanteraka. Tsy ny samy kaominina ihany no manamafy ny fihavanana, fa eo ihany koa ny mponina ao anatin’ny kaominina iray. Ny fiaraha-mientana tokoa no mitondra any amin’ny fahombiazana izay hanasana antsika hatrany mba hifanohana foana amin’izay atao.
Nicole Rafalimananjara
