ActualitésTsidika

Avaradrano : Vao manomboka ny fahavaratra kanefa simba sahady ny lalana

Simba sahady ny lalana rarivato vao natao 7 volana lasa izay, mampitohy ny kaominina Ankadinandriana sy Masindray. Mampalahelo tokoa ny zava-misy satria vao hanitsaka ny fahavaratra isika kanefa simba sahady ny lalana vao iray vita vao haingana.

« Zava-poana ny asa raha toy izao no handaniana ny volam-bahoaka. Miantso ny tompon’andraikitra hijery akaiky ny zava-misy fa tena mampalahelo ny toy izao » hoy i Rado, mponina ao Ankadinandriana. « Ny orinasa Nirisoa no nandray an-tanana ny fanaovana azy ity ka tsy hay na ny mponina no tsy mahay mikojakoja ny lalana na ilay lalana mihitsy no zara raha vita » hoy i Julien, raim-pianakaviana monina ao Androrohoro Miadamanjaka. « Ny amin’izao anie tiana ho marihana fotsiny hoe nahavita. Fa raha izay mba hoe lovainjafy dradradraina isanandro tsy mba hitako akory. Fahafinaretan’ny maso fotsiny ihany no betsaka » hoy i Miora, mpianatra mikasika ny asa vaventy eny Vontovorona.

Namboarina ny lalana hamahana ny olan’ny mponina, ary ny fahavitany no zava-dehibe fa tsy ny fahamafisany. Tsy handroso mihitsy isika raha ny tompon’andraikitra hanao zara fa vita ny asa ary ny vahoaka faly hanimba sy tsy hahay hikajy izay fotodrafitr’asa vita.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire