ActualitésTsidika

Alasora: Misy fahatarana ny fanamboarana ny kianja Synthétique ao Ambohidrazaka

Misy fahatarana ny fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina kitra sintetika, izay tetik’asan’ny kaominina hanomezana lanja ny fanatanjahan-tena, ao amin’ny fokontany Ambohidrazaka, kaominina Alasora amin’izao fotoana. Noho ny antony ara-teknika no mahatonga ny fahatarana eo amin’ny fanamborana ao an-toerana, raha ny voalaza.

« Tsy miandry fotsiny amin’izao ireo tomponandraikitra fa efa nisy ny fanapahan-kevitra noraisina izay entina handinihana sy hamahana izany olana izany. Zava-dehibe izany mba ahafahana mampandroso ny asa » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Hita taratra tokoa fa tena mitsinjo ny vahoaka ary manao ny ezaka rehetra amahana ny olana miseho ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina. Tsy mba nataony ambanin-javatra ny fanamboarana ity kianja ity na dia efa maro aza ireo olana niseho hatramin’ny nanombohana izany tetik’asa izany » hoy i Faly, mponina ao Alasora.

Tsiahivina moa fa efa amam-bolana vitsy lasa izao no efa vita ny « gradin » an’ity kianja ity. Miandry fatratra ny fahavitan’izany haingana kosa ireo mpitia fanatanjahan-tena, indrindra ny baolina kitra.

Manitra R.

Laisser un commentaire