Actualités

Ambohimangakely : Tokony hanana lava-pako ny isam-pokontany

Fokontany maro no nodiovin’ny kaominina tao Ambohimangakely. Hetsika fanadiovana niarahana tamin’ireo Firaisan’ny Skotisma teto amin’ny faritr’ Ambohimangakely ity natao ity.

« Natao izao hetsika izao ho fanentanana antsika mponina mba hahaizantsika hanavaka sy hifantina ireo karazam-pako arina eny amin’ny toby fanarina fako. Ao ny fako mety lo izay azo dorana sy ny fako toy ny metaly, vakim-pitaratra, plastika izay mety hampidi-doza » hoy ireo mpikambana ao amin’ny Skoto Ambohimangakely. « Manentana antsika mponina mba hanao lava-pako isam-pokontany sy isan-tokantrano. Tompon’andraikitra amin’ny fahadiovana ny tsirairay » hoy ny Ben’ny tanàna ao Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry.

Skoto avy amin’ny katolika, adventiste, Anglikanina ary ny Protestanta ireto nanome tanana ny kaominina amin’ny fanadiovana ireto. Tena ilaina tokoa ny fanentanana arahim-pihetsika tahaka izao.

Laisser un commentaire