Startup Week-end : Hivelatra amin’ny fanamafisam-pahalalana maro isan-karazany ny fotoana
Faran’ny herinandro iray, izany hoe 54 ora, hanavaozana ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara. Hisy ny fananganana tetik’asa izay mifototra amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana mandritra izany. Hiantsoana ireo izay rehetra maniry ny hisehatra amin’izany sehatra manokana izany. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra izany 54 ora izany.
« Hanomboka ny zoma amin’ny 6 ora sy sasany ny fotoana izay arahin’ny « pitch individuel » na ilay atao hoe famaritana ny tetik’asan’ny tsirairay tiany hatao ary tohizana amin’ny fananganana ny tarika tsirairay. Hivoha amin’ny 7 ora ny vavahady ny sabotsy ka hatomboka amin’ny fanentanana sy ny asam-bondrona izay ho tohanan’ny coach samihafa », hoy ny avy ao amin’ny SWAT, mpikarakara ny hetsika.
« Hibahan-toerana ny asam-bondrona arahin’ny coach maso sy hanomezan’izy ireo torohevitra ireo vondrona isan-karazany. Ao anatin’izany dia ny mpikarakara no miantoka ny sakafo mandritra ny fotoana hanatanterahana izany. Ny tombony betsaka amin’ity hetsika faharoa ity dia ny fisian’ireo coach isan-karazany afaka hantonina sy hangalana torohevitra », hoy i Hasina Razafintsalama, mpikarakara ny hetsika.
Feno ny 54 ora. Feno ny fandaharam-potoana izay tokony hitondra tombontsoa ho an’ny Malagasy rehetra aoriana kely ao. Ankoatra izany dia hisy ny loka hatolotra ireo tetik’asa voafidy ho mendrika indrindra.
Miora Raharisolo
