Dépêches

Fanatanjahantena : Mitana ny laharana voalohany ny Barea ao amin’ny CHAN 

Dépêche 16 janvier, 12h, Taorian’ny fandresena izay nobatain’ny Barea an’ny Madagasikara nanolona ny Ghana tamin’ny isa 2 noho 1 dia niakatra ny toeran’ireto ekipam-pirenena ireto amin’izao fotoana izao. Mitana ny laharana voalohany amin’ny isa 3 izy ireo amin’izao fotoana izao ao anatin’ity vondrona C misy azy ireo ity. I Koloina Solomampionona Razafindranaivo tao amin’ny minitra faha-11, ary i Tokinantenaina Randriatsiferana (Tsiry) kosa tamin’ny minitra faha-61 ka nahatonga izao fandresena izao.

Laisser un commentaire