ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala

Notanterahina tany Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, nandritra ny roa andro ny fankalazana nasionalin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Ala. Nanomboka ny 21 martsa hatramin’ny 22 Martsa izany.

 »Ny Ala, sady ho amin’ny famokarana no ho amin’ny fandrosoana lovainjafy » no lohahevitra nosafidiana. « Hetsika maro no natao teto Moramanga toy ny fanomezana galona ireo mpianala miisa 7. Eo koa ny fampirantiana ataon’ireo orinasa samihafa mpiara-miombonantoka, misehatra amin’ny tontolo iainana » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana. « Manana andraikitra betsaka eo amin’ny tontolo iainana ny ala. Izy no mamokatra ny filàna andavanandro momba ny hazo sy ny akora fototra. Miaro ny loharano sy ny sahandriaka ary mitazona ny tany tsy ho kaohin’ny riaka ny ala » hoy i Ando, Injeniera mikasika ny ala.

Ny ala ihany koa no itoeran’ireo karazan-java-manan’aina maro misy eto amin’ny any. Tsy azo adinoina ihany koa fa manadio ny rivotra sy manalefaka ny fiovan’ny toetr’andro ny ala. Fotoana izao hanaovana fambolen-kazo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire