Menabe : 10 Ha tamin’ireo 70 ha no efa voavoly hazo
Miisa 200 ireo zana-kazo voavoly tao amin’ny fokontany Tanandava Kaominina Bemanonga. Tany mirefy 2 ha no nanaparitahan airteo zana-kazo ireto.
« Mbola tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ala izao natao izao. Mila antsika olombelona ny ala hanatombo isa azy ireo » hoy i landy, isan’ireo tanora namboly hazo. « Nanimba ny faritra Menabe ny fandripahana ny ala tamin’ny doro tanety sy ny tavy. Miantso ny rehetra hamerina indray ny nosy maitso ho fanarenana ny tontolo iainana » hoy ny Governoran’ny faritra Menabe.
Manana velarantany 70 ha ao Bemanonga, malalaka tsara i Menabe. 10 ha tamin’ireo no efa voavoly hazo.
Nicole Rafalimananjara
