ActualitésCultureDépêches

FESTIVAL TSAPIKY TOLIARA

Efa vonona tanteraka i Toliara handray ny Festivaly Tsapiky, miaraka amin’ny fandraisana anjara mavitrika avy amin’ireo ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Hita fa efa tafapetraka avokoa ny fikarakarana rehetra, ka miandrandra hetsika lehibe sy mahafinaritra ny rehetra.

Manomboka anio ny festivaly, ary hetsika ara-javakanto isan-karazany no hifandimby mandritra izany, ahitana seho mozika, dihy ary kolontsaina mampiavaka ny faritra, izay antenaina fa hanintona sy hampifaly ny mpijery sy ny mpandray anjara.


Laisser un commentaire