DGSR : Mahavoasazy ny fandikan-dalàna sy ny tsy fanajana ireo fitsipika mifehy ny fifamoivoizana
14 Martsa, 16h30. Raha ny voarakitra ao amin’ny didy hitsivolana na « Ordonnance » laharana faha 62.066 tamin’ny 27 septambra 1962 dia azo saziana ny rambona fiara taritina tsy misy fitaratra mamerina hazavana na andro na alina (Remorque non muni d’un dispositif réfléchissant ou catadioptre).
Eo ihany koa ny fijanonan’ny fiara manelingelina ny fifamoivoizana « Stationnement sur la chaussée d’un véhicule gênant la circulation ». Ankoatr’izay dia ilaina ny fametrahana takela-by telozoro mamerina hazavana na « Triangle catadioptrique », ka apetraka eny amin’ny 30 metatra ; atao izany mba ho tazana hatreny amin’ny 100 metatra ho fisorohana ny loza.
Manamarina io voalaza io ny ambaran’ny andininy faha 40- 46 -49, izay voafaritry ny sazy ao amin’ny andininy faha 275, ho an’ireo fiara manana lanja 3T500 no mihoatra.
