Tetikasa Miami Toamasina : Mandroso ny asa
14 Martsa, 16h00. Asa dimy lehibe no miara-tanterahina ho an’ny tapany avaratra voakasiky ny tetikasa Miami. Ny kianja filalaovana sy fifaninana « mixte » (basketball, volleyball, handball) no efa vita tanteraka. Efa misy ihany koa ny vavahady lehibe fidirana miisa roa (portiques), trottoirs miloko, tohatra ho an’ny rehetra sy tohatra voatokana ho an’ny « fauteils roulants » ary ireo tavim-boninkazo lehibe amin’izao fotoana.
Mitohy izany asa izany ka efa miroso amin’ny fanorenana ny toeram-pivoahana miisa roa (toilettes publiques) ireo mpiasa, eo ihany koa ny fametrahana ireo tambajotra hitondra jiro sy rano ambany tany (reseaux d’eau et de courant fort), ny fanajariana ny zaridaina ho an’ny mpifankatia (jardin des amoureux), ary ny fanorenana ny kioska fivarotana hamindrana ireo mpivarotra 321 isa eny an-toerana fantatry ny maro amin’ny hoe « bar à sachets ».
