ActualitésTsidika

Fampianarana: Hoefaina ny « Vacations » ho an’ireo mpampianatra

Ho atao amin’ity taona ity avokoa ny fanefana ireo vacations nanomboka ny taona 2018 ho an’ny mpampianatra. Mitentina 20 398 538 600 ariary ny « vacations » tamin’ny taona 2018 sy 2019 ary 2020. Mitentina 15 576 841 ariary kosa izany ho an’ny taona 2021 sy amin’ity taona 2022 ity. « Hoefaina avokoa ny « Vacations » ho an’ireo CISCO 114 eto Madagasikara. Hisitraka izany avokoa na ireo « personnel permanent », na ireo « personnel non-permanent » » hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. « Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Veliriano faha 4 izany. Tanjona ny hanatsaràna hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana ka mandalo amin’ny fanomezan-danja ireo mpisehatra eo anivon’ny fanabeazana izany » hoy ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry. Marihana fa efa tafiditra anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2022 (LFI 2022) avokoa io tetibola io. Manaraka ny paikday amin’ny famoaham-bolam-panjakana ihany koa.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire