Jirama : Ireo toerana handalovan’ny Jiramobile ny herinandron’ny 14 martsa 2022
14 Martsa, 17h00. 4Ny Jiramobile dia masoivohon’ny Jirama mandehandeha, hanalana fahasahiranana ny mpanjifa.
Manao ny asa rehetra fanao eny anivon’ireo masoivoho io fiara io, mandray ny fangatahana fampidirana jiro na rano, mivarotra fahana, mandray ireo fitarainana maro samihafa, manaraka ny « dossier » raha toa ka efa manana « numéro de référence » avy teny amin’ny masoivoho nisy azy ny mpanjifa, mamoaka ny « devis » raha efa vonona izany, manaraka ny fandoavana (suivi des impayés), mandray ny tapak’ila « auto-relevé », mamaly ireo filan-kevitra maro isan-karazany, mandray ny fandoavana faktiora amin’ny alàlan’ny « mobile money », na « TPE » (VISA sy BOA) ary « chèque ». Tsy afaka mandray ary tsy mitahiry lelavola kosa izy.
Manomboka androany 14 martsa hatramin’ny 16 martsa kosa dia andalo ao Ampasampito Gare routière makao Anjanahary II izy.
