Vola vahiny tratra teny Ivato.
22 Oktobra, 13h00. Vola vahiny mitentina 28.775 euros no sarona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly Alakamisy. Tratra tany amin’ny mpandeha tamin’ny sidina AF 935 ho any Paris CDG io vola io. Rehefa avy nandalo teo amin’ny scanner ilay entana noenti-tanana, dia nosavain’ny mpiasan’ny Fadintseranana ka teo no nahatratrarana ireo vola vahiny ireo.
