Tambazotra mpivarotra rongony tra-tehaky ny zandary.
22 Oktobra, 12h00. Rongony maina milanja 2 kg ahitana fonosana amin’ny karazany maherivaika no tratran’ny zandarimariam-pirenena niaraka tamin’ny mpaninjara enina mirahalahy teto Antananarivo. Efa nisy fonosana maromaro efa vonona hamidy tany amin’izy ireo ary ankizy mpianatra no anisany mpanjifa azy, raha nambaran’i Kolonely Randrianarivelo Anissé.
