Mahatsinjo Morafeno: Omby roa lasan’ny Dahalo
06 Jolay, 15h30, Nitrangana halatra omby indray tao amin’ny tanànan’i Mahatsinjo, kaominina Morafeno ny alin’ny Alatsinainy hifoha talata 05 Jolay. Omby miisa roa (02) no lasan’ireo dahalo tamin’izany izay samy voaotra avokoa miloko fitatra mainty sy mena. Ny tompon’omby rahateo tsy nahare na inona na inona raha tsy ny maraina teo tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany.
