Distrikan’i Betafo : Omby 12 no tafaverina amin’ny tompony
05 Jolay, 16h00, Dahalo maromaro no naka omby 12 antsokosoko tao Amporano, fokontany Marolaona Kaominina Soavina, Distrikan’i Betafo ny alahady 03 jolay 2022. Niara-nisalahy ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Betafo sy Ambohimanambola ary ny fokonolona nisambotra azy ireo, ka vaky nandositra ireo dahalo rehefa nahatazana fa temitra ny lalan-kalehany ary voatery navelany ny omby.
