Atsimo Andrefana : Miverina indray ny kere
16 Aogositra, 17h10, Mitaraina ireo mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Androka, distrikan’Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, noho ny fiverenan’ny kere ao amin’ny faritra, rahaa ny fitarainana avy amin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana. Anton’izany ny tsy fahafehezana ny fitsinjarana ny fanampiana ara-tsakafo ny ONG izay nisolo toerana ny PAM.
