Royaume-Uni : Poketra vita amin’ny hoditra voay ampirantiana tao amin’ny « zoo »
Tranga iray no niteraka resa-be eran’izao tontolo izao ny herinandro lasa teo. Toerana voatokana ho an’ny biby no nampirantiana poketra vita tamin’ny hoditra voay. Tao amin’ny toerana tokony nasiana ny voay no nametrahan’ireo tompon’andraikitry ny Zoo iray tao Londres io poketra io.
Raha ny fanazavana dia nentina nanairana izao tontolo izao manoloana ny fampiasana ny biby amin’ny antony ara-barotra io tranga io. Entina hanentana ny olona hiaro ny biby sy hanatsahatra ny fihazana voay ihany koa izany. Raha ny fantatra mantsy dia 80% amin’ny « crocodiles de Siam » no nanjavona tao anatin’ny 75 taona. 200 isa sisa no isan’izy ireo any amin’ny toeram-ponenany voajanahary raha 5 000 isa ny any amin’ny toerana voatokana.
Hita kosa fa nahomby io fisarihana olona tao Londres io. Tao anatin’ny andro vitsivitsy monja dia niparitaka naherin’ny 70 000 isa tao amin’ny tamba-jotra Twitter io vaovao io.
