PolitiqueTatitra

Haiti: Mitohy  ny fanafihana ataon’ireo jiolahy eny amin’ny sampan-draharahan’ny polisy

Mitohy hatrany ny fanafihana sy ny famoretana anaty ataon’ireo jiolahy ao Haiti, hatramin’izao fotoana. Biraon’ny kaomisarian’ny polisy iray indray, tao amin’ny renivohitr’ity firenena ity, no notafihin’ireo jiolahy, tamin’ny herinandro teo. Raha ny fantatra, naharitra ora maro ny fanafihana sy fampihorohorona nataon’ireo jiolahy tao an-toerana, araka ny nambaran’ireo manodidina. Fiara maro no nanodidina ny biraon’ny polisy ity ary nisy ny fandoroana trano nataon’ireo jiolahy. Voatery nandositra ny trano fonenany ireo mponina manodidina vokatr’izany. Ankoatra izay, niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ihany koa ny faran’ny herinandro teo ny horonantsary nahitana ireo andian-jiolahy nitam-piadiana tao an-toerana. Ireto farany moa izay namehy ny faritra maro ao amin’ity firenena ity, tao anaty ady, fanafihana, fangejana sy herisetra, efa amam-bolana maro izao.

Laisser un commentaire