ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mavitrika sy faly ireo mpianatra namaly ny antso tamin’ilay fampianarana teny Espagnol

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fampianarana teny Espagnol, maimaim-poana, natolotry ny kaominina Ambohimangakely. Maro ireo tanora tonga teny an-toerana namaly ny antso tamin’izany ary nanomboka ny fampianarana ampavitrihana.

“Tsy mifidy taona ny fampianarana omen’ny kaominina Ambohimangakely. Afaka manatrika ny fampianarana avokoa na ireo mpianatra, ankizy, tanora, ray aman-dreny manana finiavana sy vonona hanovo fahalalana. Mbola mitohy hatrany ny fandraisana ireo mpianatra vaovao liana amin’ity taranja ity” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Tena ilaina be ny fahaizana teny vahiny amin’izao fotoana. Amin’izao ihany koa iny fahaizana teny hafa ankoatra ny teny reny no fanalahidy raha hitady asa ka izay no hanararaotana hianatra amin’ny fotoana toy izao” hoy i Nasandratra, mpianatra.

Fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny La Ruche Madagascar no nisian’ity fampianarana teny Espagnol maimaim-poana ity. Mbola misy hatrany moa ny fandraisana ireo izay vonona hianatra ao anatin’izany ka afaka manantona eny amin’ny EPP Ambohimangakely amin’ny fotoana fiaranarana.

Laisser un commentaire