SocialTatitra

France : Gadra am-polony nitsoaka ny fonja, nivoaka avy ao ambony tafo trano

Tsy nampoizina ny zava-niseho tao amin’ny trano figadrana iray tany Sète, France, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Gadra am-polony no nanangana paik’ady ka nitsoaka ny fonja, araka ny nambaran’ny lehiben’ny polisy tany an-toerana. Raha ny vaovao farany, dia mbola ny iray tamin’ireo gadra tafatsoaka no hita. Manodidina ny tamin’ny 2ora sy sasany maraina, ny horonantsary voarakitra tamin’ireny vidéosurveillance ireny no nanaitra ireo tomponandraikitra mpiandry fonja ka nahatonga azy ireo nijery  ny zava-misy avy hatrany. Rehefa tonga tao amin’ny efitra nisy ireo voafonja nampiahiahy, dia hita tokoa ny lavaka teny amin’ny tafo, sy ny lamba nikiraviravy, nifatotra tamin’ny tafo. Natao ny fiantsoana ireo gadra 28 tao an-toerana ka tsy tao ny 10 tamin’izy ireo. Efa tetika maty paika no nampisain’ireo gadra ary voahomana ny fitsoahan’izy ireo, raha ny fanazavana. Anisan’ny mampiasa ireo fitaovana fanaraha-maso manaraka ny teknolijia ity toeram-pamonjana ity kanefa tsy nisy naneno ireo fitaovana fanairana amin’ny loza nandritra izany. Mbola manohy ny fikarohana ireo gadra nitsoaka ireo ny manam-pahefana any an-toerana.

Laisser un commentaire