ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Tontosa soa aman-tsara ny lalao famaranana ny fifaninanana baolina kitra “tournoi Firaisankina”

Notontosaina tamin’ny alahady teo ny lalao famaranana tamin’ilay lalao fifaninanana baolina kitra, tournoi Firaisankina. Teo amin’ny kianja filalaovam-baolina, an’ny kaominina Ambohimanambola no nanatanterahana izany ary tonga nanontrona teny an-toerana ireo kandida Firaisankina avaradrano.

“Anisan’ny mampiombona ary ankafizin’ny olona maro ny baolina kitra. Fialam-boly mihitsy izany ary fitaizana ho an’ireo mpilalao. Hisaorana ireo tomponandraikitra izay manohana sy manome lanja izany hatrany satria tena ilain’ny mponina sy ny tanora izany, indrindra ny fampivoarana ny fanatanjahan-tena” hoy i Frédéric, mponina ao Ambohimanambola.

“Zava-dehibe ho anay tanora, indrindra mpikatroka anatin’ny taranja baolina kitra ny fifaninanana tahaka izao. Manantena fa hisy hatrany ny fifaninanana ary hitohy ho an’ny sokajy rehetra. Fa tsy tokony ho adinoin’ny tomponandraikitra koa anefa ny fanatsarana ny toeram-pilalaovana” hoy i Safidy, mpilalao baolina kitra.

Nanolotra loka toy ny omby, ondry miisa telo ary medaly sy amboara ho an’ireo ekipa niatrika ny lalao famaranana moa ireo tomponandraikitra ireo nandritra izany.

Laisser un commentaire