Dépêches

Faha 50 taonan’ny Banky Foiben’i Madagasikara

Hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny famarotana ireo vola 50 Ariary volamena natao ho fahatsiarovana ny faha 50 taonan’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Milanja 1Oz na 31,104 grama ny iray amin’izany. Volamena novidian’ny Banky Foibe ara-dalàna teto an-toerana no nanamboarana ireo vola 50 Ariary volamena ireo. Tany Torkia no nanontana azy tamin’ny volana Mai tamin’ny taon-dasa, ka ny Istambul Golg Refinery no nanao ny asa. Mitentina 75 Dôlara mahery (331 241 Ariary mahery) moa ny vidin’ny iray grama amin’ny volamena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena (miovaova).

Laisser un commentaire