Foto-drafitr’asa: Ho vita mialohan’ny faran’ny taona ny fanarenana ny lalam-pirenena RN1Bis
Dépêche 01 décembre, 13h, Ny orinasa Madagascar Oil no nisehatra tamin’ny fikarakarana ity lalam-pirenena mampitohy an’ny Maintirano amin’ny Tsiroanomandidy ity. Raha ny fanamboarana tanteraka izany lalana izany dia mbola ho ela hoy ireo tompon’andraikitra fa ireo ampahany tena ratsy kosa dia vinavinaina ho vita sy voaarina alohan’ny fiafaran’ity taona ity. Ho an’ity orinasa mpamokatra angovo ity dia tsy maintsy ireo faritra tena ratsy no navaozina voalohany mba hahafahan’ny entana mivoaka sy tonga ara-potoana tsara any Antsirabe. Faritra miisa 16 eo anelanelan’ny Ankalalo sy Tsiroanomandidy ity namboarina ity.
