Dépêches

Nosy Varika : Trano 21 tafo may kila vokatry ny vatoaratry ny « panneau solaire »

14 Febroary, 08h30. Nitrangana hain-trano tao Tsararivotra Nosy Varika, Faritra Vatovavy ny alahady 13 febroary teo. Tokantrano iray no nipoiran’ny afo manodidina ny 09 ora sy sasany maraina maraina teo. Vatoaratra « panneau solaire » no nirehitra raha ny voalaza ka nihititatra, ary niteraka hain-trano nahatsiravina. Trano 21 no may kila tamin’izany ary trano 15 hafa no noravana mba tsy nihitaran’ny afo.

Laisser un commentaire