14 Febroary: Andro iraisam-pirenena ho an’ny androbe
Ankalazaina isaky ny alatsinainy faharoa ao anatin’ny volana febroary ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Androbe. Ny lohahevitra amin’ity taona ity dia : “ Ndao hiara-hientana hiady amin’ny androbe: fepetra takiana ho fanatsaran’ny fahasalaman’ny vahoaka”. Marihana fa ny Androbe dia aretin’ny atidoha , miseho amin’ny alalan’ny fanintona miverimberina. Misy karazany maro ny fisehony. « Mety mahazo ny olona rehetra izy. Tsy mamindra ny androbe, tsy manaranaka ary azo tsaboina tsara. » hoy i Lanto, mpitsabo. “Olona miisa 21 ao anatin’ny 1000 no voan’ity aretina ity izany hoe eo ho eo amin’ny roa isan-jaton’ny mponina eo eto Madagasikara. Koa manentana antsika tsirairay avy hanana herimpo sy fitiavana ombana ezaka ary finiavana ho amin’ny fanentanana ny fisorohana ny androbe » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Mila toherina ny fanilihana amin’ny endriny rehetra atao amin’ny olona voan’ny androbe. Manentana ny fiaraha-misalahintsika eo amin’ny fiatrehana sy fandraisana an-tanana ireo olona tratran’ny aretina androbe.
