ActualitésTatitra

Maurice : Nitombo isa ireo mpizaha tany

Niakatra ny isan’ny mpizahatany tonga tao amin’ny nosy Maurice tamin’ity taona 2022 ity raha noharina tamin’ny vanim-potoana toy izao ny taona 2021 arakin’ny Statistics Mauritius. Hatreto dia 638 332 ny isan’ny mpizahatany nitsidika ny nosy raha 9 460 monja izany ny taona lasa teo. Lasa 636 176 ny fahatongava am-piara-manidina tao an-toerana raha 8 919 monja ny taona 2021. Niakatra 2 156 kosa ny fahatongava an-tsambo raha 541 izany teo aloha.

71% kosa ny tahan’ny mpitsidika tao Maurice nanomboka ny volana janoary 2022 hatramin’ny volana septambra teo. Avy ao France sy Royaume-uno no maro an’isa amin’ireo izay mahatratra 145 366 sy 96 163 isa. Aharin’ny mpizahatanin’i Afrique du Sud, La Réunion, Inde ary Suisse kosa izany.

Laisser un commentaire