Fanadiovana: Mitohy ny hetsika fanadiovana izay hataon’ireo mpivarotra eo Analakely.
Dépêche 07 décembre, 13h30, Toy izay efa nataon’ireo mpivarotra eo Analakely izay mivondrona ao anatin’ny FIMPIZOA dia nanadio indray ny faritra fiasany izy ireo ny omaly talata 06 desambra. Ny lalana, ny lakandrano, ny manodidina ny tioeram-pivarotana dia nopdiaovina avokoa. Nifanome tanana tamin’izy ireo ny avy ao amin’ny vondrona mpamonjy voina tamin’ny fanondrahana rano ary ireo mpitandro ny filaminana kosa nandrindra ny fifamoivoizana nandritra izany. Toetra tsara tokony hananan’ny mpisehatra rehetra ny fabnadiovana ny toera-piasany mba hisian’ny filaminana ary indrindra mba hahafinaritra ny maso ny fahitana izany toerana milamina sy madio izany.
