Moramanga : Miisa 10 ireo olona miditra hopitaly noho ny fihinanana sakafo tamina hotely iray
Dépêche 10 novembre, 14h30, Tao Moramanga no niseho ity tranga ity, miisa 10 ireo olona niditra hopitaly vokatry ny fihinanana sakafo tamina hotely iray. Voasokajy ho fanapoizinana ara-tsakafo ny nahazo ireto olona ireto izay mandoa sy mivalana ary malemy tanteraka rehefa any amin’ny hopitaly. Toy izany avokoa ny fisehon’ny zavatra mahazo azy ireo. Mila handraisana fepetra ny toerana tahaka izao mba tsy hitomboan’ny loza indray. Ireo mpivarotra ihany koa dia tokony ho tompon’andraikitra amin’ny sakafo hamidiny mba tsy hamono olona. Ary ny mpanjifa dia tokony sarotiny amin’ny sakafo hoaniny amin’ireny toerana rehetra ireny.
