Dépêches

Distrika Mahanoro : Trano miisa 250 lasa lavenona

Nitrangana hain-trano tao amin’ny tanàn’Ambinanidilana, distrika Mahanoro, faritra Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo. Trano manodidina ny 250 isa no may kila, lasa lavenona nandritra izany. Olona 1500 no traboina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.  Tonga tany an-toerana nitondra fanampiana ny avy amin’ny BNGRC ary nizara vary, voamaina, menaka, vilany, akanjo, vilia ary sotro ho an’ireo niharam-boina.

Laisser un commentaire