Ambohimangakely: Tonga nitsidika tao an-toerana ny ministry ny angovo sy akoran’afo
Tonga nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny minisitra misahana ny Angovo sy ny akoran’afo, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny fitsidihana ireo faritra manana olana amin’ny fisitrahana hazavana nandritra izany.
“Nandritra ny fitsidihana izay nataon’ny ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo no nijerena ifotony ireo toerana sy faritra rehetra ato anatin’ny kaominina, tsy mbola manana jiro, na manana olana amin’ny fisitrahana izany; eo ihany koa ny fijerena ireo andrin-jiro. Mbola maro ireo miaina anatin’ny haizina ka mila hazavana eto an-toerana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny français.
“Mbola maro ireo fokontany sy toerana miaina ao anatin’ny haizina. Ny angatahana amin’ny tomponandraikitra mba tsy ho resaka fotsiny ihany ny vokatr’izao fitsidihana izao, fa mba izy vokany eo amin’ny mponina tokoa” hoy i Rotsy, mponina ao Ambohimangakely.
Efa ela ireo mponina ao amin’ny kaominina no nitaraina mahakasika ny tsy fampian’ny jiro ao an-toerana. Anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ihany koa izany no manome vahana ny mpanao ratsy. Miandry ny fandraisana andraikitra araka izany ny mponina.
Manitra R.
