Sabotsy Namehana: Voatazona am-ponja vonjimaika ilay renim-pianakaviana nanary ny zanany tanaty lava-piringa
Tohin’ilay raharaha mahakasika ny renim-pianakaviana izay nanary ny zanany tao anaty lava-piringa ny herinandro lasa teo amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, dia notanana am-ponja ary miandry ny fotoam-pitsarana ity farany amin’izao fotoana izao. voatazona ihany koa ny sakaizan’ity vehivavy ity, araka ny voalaza.
“Taorian’ny nitsaboana ilay renim-pianakaviana teny amin’ny tobim-pahasalamana dia niroso tamin’ny famotorona ilay renim-pianakiviana, izay nanary ny zanany tao anaty lava-piringa ny avy eto amin’ny zandarimaria. Ny faran’ny herinandro teo izy no niakatra ny fampanoavana ary miandry ny fotoam-pistsarana azy izy amin’izao fotoana” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Heloka be vava, ary melohin’ny fitsarana ny famonoana an-kolaka na mivantana ny olombelona iray. Mendrika hampiarana ny sazy araka ny lalàna avokoa izay tratra manao izany” hoy i Anja, mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny fiarovana ny zon’olombelona.
Raha tsiahivina, tamin’ny faran’ny herinandro teo dia zazamenavava iray no nisy nahatsikaritra tao amin’ny toeram-pivoahana iray, rehefa nitomany. Tratra tamin’izay ihany anefa ilay reniny nahavanona ny loza. Tamin’ny faran’ny herinandro teo moa dia mbola manaraka fitsaboana tao amin’ny hopitaly ilay zaza.
Manitra R.
