Dépêches

Itasy: Ankizy manodidina ny 500 isa nahazo kopia nandritra ny fitsarana mitety vohitra

Ankizy 500 isa no nahazo kopia soram-piankohonana, omaly, tao amin’ny kaominina Ampefy distrika Itasy, nandritra ny hetsika fitsarana mitety vohitra. Hizaka feno ny zony ireo ankizy nahazo ny sora-piankohonanana ireo toy ny fahazoana miditra an-tsekoly, ny fahazoana mandova ny Ray aman-dReny, ny fahazoana misora-panambadiana. Voarakitra tamin’ny fifanarahana voasonia fa ho an’ny faritra Itasy dia ankizy miisa 4.000 no kendrena hahazo sora-piankohonana.

Laisser un commentaire