Anjeva: Notolorana solosaina entin-tanana ny CEG Anjeva gara
Tonga nanolotra solo-saina entin-tanana ho an’ny CEG Anjeva gara, ny tomponandraikitra misahana ny kaominina, ny alarobia teo. Fiaraha-miasa tamin’ireo mpiara-miombonan’antoka amin’ny kaominina, dia ny vondrona Basan sy ny Tannerie d’Anjeva no nahafahana nanolotra izany, araka ny voalaza.
“Izao solosaina izao no natolotra dia mba ho fampandehanana ny CEG eto Anjeva Gara. Fanomezana avy amin’ny orinasa Tannerie d’Anjeva izy io. Nandray izany ny tale eto an-toerana, izay nisolo tena ireo mpampianatra” hoy ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna.
“Ankoatra ny fanolorana izany solosaina entin-tanana izay, nisy ihany koa ny fanamboarana ny efitrano fianarana teto. Izany rehetra izany no natao dia ho fanatsarana sy fampandrosoana ny fampianarana avokoa” hoy hatrany ny fanazavana.
Zava-dehibe eo amin’ny lafin’ny fampianarana ny fampiasana ny teknolojia vaovao. Manaraka ny fivoaran’ny fandrosoana izany no manafaingana ihany koa ny asa, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.
Manitra R.
