Ambohimangakely : Nizara tohan’aina teny amin’ireo EPP ny Assoaciation Soa
Nanatanteraka hetsika fizarana tohan’aina teny amin’ireo EPP ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ny Assoaciation Soa, nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Samy nahazo ny anjarany avokoa ireo mpianatra teny amin’ireo EPP nandritra izany, ary afa-po, raha ny voalaza.
« Misitraka fampisakafoanana an-tsekoly (cantine scolaire) isan’andro avokoa ny EPP rehetra manerana ny kaominina Ambohimangakely indrindra amin’izao fotoana ankatoky ny fanadinana izao. Misaotra ny Ben’ny tanàna manohana hatrany ao anatin’izany » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana.
“ Zava-dehibe ho an’ny ankizy ny fanohanana ara-tsakafo tahaka izao. Sady hery entiny miatrika ny androny iny no mampavitrika azy ihany koa. Hirariana hatrany moa ny hitohizan’izany satria tombony ho an’ny mpianatra no fanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny fampisitrahana ny zon’ny zaza mba hihinana” hoy ny avy amin’ireo mpanabe.
Hatramin’ny omaly moa, dia am-polony mahery ireo EPP ao an-toerana efa nisitraka izany tao an-toerana. Samy handalovan’ny Association Soa, hizarana tohan’aina avokoa moa ireo EPP rehetra ao anatin’ny kaominina.
Manitra R.
