ActualitésTsidika

Banky Foiben’ny Madagasikara: Hisy varavarana misokatra ho an’ny rehetra

Anatin’ny fankalazana ny faha-50 taoanan’ny banky Foiben’ny Madagasikara dia hanokatra ny varavarany izy ireo ho an’ny olona rehetra. Hatao manomboka ny 20 jona hatramin’ny 30 jona izany varavarana misokatra izany izay hatolotra ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka. Hisy ny fepetra manokana noraisin’izy ireo hahafahana miaro ny zava-tsarobidy ao anatin’ity toerana ity.

“Tsy maintsy misoratra anarana mialoha ireo izay maniry hitsidika ny Banky. Mamandrika ny andro sy ny ora hanatanterahana ny fitsidihana hahafahana mandamina ny fifezivezena sy hiarovana ny fananan’ny BFM”, hoy ny avy aomain’ny Banky Foiben’ny Madagasikara.

Fotoana iray izay natokana hahafahan’ny olona rehetra mamantatra ny ao anatin’ity toerana manan-danja be amin’ny Malagasy ity io folo andro. Feno dimampolo ny mpitahiry ny volan’ny Malagasy rehetra, manan-jo ny hahalala izany ny Malagasy ka izany indrindra no antony nanatanterahana ity varavarana misokatra ity.

“Tokony hampahafantarina ny olona dieny mialoha aloha ny tokony ho hita sy mety ho hitany ao sao misy mieritreritra ny ahita ireo vola be dia be hatonta ao an-toerana”, hoy I Tiana, maneho hevitra.

An-jotra ny fisoratana anarana amin’ity rohy ity https://www.ticketplace.io/event/x706vk85gmhfqsc2yarw/items. Mila tonga 15 minitra mialoha kosa ireo izay te hitsidika hanamorana ny fandaminana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire