ActualitésTatitra

France : Lehilahy iray no nahita fatin-jazakely tao amin’ny garaziny

Lehilahy iray 41 taona sendra nampirina ny garaziny no nahita fatin-jazakely tao amin’izany tao Vannes, Morbihan. Raha ny fanazavany dia norakofana lamba fotsiny ilay zaza, natao tao anaty harona plastika ary napetraka tao anaty kitapo iray tao amin’ilay garazy.

Nikoropaka io lehilahy io taorian’ny nahitany ny razana. Niantso vehivavy namany avy hatrany ary ity farany no niantso ny manam-pahefana. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo manam-pahefana tao an-toerana nefa dia nalevin’ilay lehilahy sy ny vadiny tao an-jaridainany ilay fatin-jazakely. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa zaza fahadimy nentin’ny vadin’io lehilahy io tamin’ny taona 2019 ilay zaza.

Fantatr’io lehilahy io fa bevohoka ny vadiny tamin’izany saingy nilaza tamin’ny fa afa-jaza. Nilaza kosa ilay vehivavy fa zaza niriana io zaza hita faty io saingy tsy nanaraka fitsaboana izy ary nisy olona ny tokantranon’izy ireo tamin’izany fotoana ka maty teo am-piterahana ilay zaza. Manoloana ny fahasimban’ny razana kosa dia sarotra ny manamarina izany hoy ny mpampanoa lalàna tao an-toerana. Efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana kosa ny raharaha.

Laisser un commentaire