ActualitésTatitra

Maurice : Hisy ny lalam-piofanana ara-teknika vaovao eny amin’ny ambaratonga fahatelo

Namolavola lalam-piofanana ara-teknika vaovao ho an’ny sekoly ambaratonga fahatelo, ho an’ny fanomanana arak’asa indray ny tompon’andraikitry ny fanabeazam-pirenena ao amin’ny nosy Maurice. Hatreto ny mpianatra ao an-toerana dia tsy manan-tsafidy ankoatra ny fanalana ny fanadinana baccalauréat izay hitan’ny tompon’nadraikitra fa tsy mora ka mahatonga ny mpianatra sasany miala ny sekoly tsy misy diplaoma.

Ao an-toerana dia antsoina hoe « grade 10 » ny kilasy faha-10 ka manomboka ny taom-pianarana ho avy izao dia hoy ny lalam-piofanana ara-teknika vaovao ao an-toerana izay ahafahan’izy ireo misafidy amin’ny sehatra telo manolotra fiofanana sy diplaoma teknika manoloana ny  teknolojia miompana amin’ny indostria, asa momba ny fahasalamana ary ny informatika.

Heverina fa mbola hitombo manaraka ny taona izany fiofanana izany ary kasaina ampidirina ao anatin’izany fanatanjahantena hoy ny tompon’andraikitra. Tsy maintsy hianarana ao anatin’ireo lalam-piofanana ireo kosa nefa ny teny anglisy, frantsay, matematika ary ny siansa raha ny fanamafisana.

Laisser un commentaire