Ankadikely Ilafy : Misy ny sekoly fianarana ny taranja ara-panatanjahan-tena basket-ball
Misy ny sekoly fampianarana ny taranja ara-panatanjahan-tena ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ao anatin’izany no hianarana ny taranja Basket-ball, natao ho an’ny ankizy manomboka amin’ny 6taona ka hatramin’ny 16 taona izany. Nisokatra nanomboka ny sabotsy teo ny fampianarana ao anatin’izany, araka ny voalaza.
“Nanomboka ny sabotsy teo no nisokatra ny Ecole de Basket-ball. Ao anatin’izany anefa dia mbola mandray hatrany ireo izay te hianatra ny taranja na tia fanantanjan-tena ny sekoly. Ary manentana ireo ray aman-dreny ihany koa izay maniry handefa ny zanany fa misokatra hatrany ny fandraisana ireo ankizy” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Ilaina ho fanampin’ny fitaizana ny ankizy ny fanatanjahan-tena. Anisan’ny mitaiza, manabe ary mahatonga ny ankizy tsy ho varina anatin’ny rendrarendra sy ny ditra isan-karazany ny fanatanjahantena ka tokony hampaherezina izy ireo hiditra any anaty klioba. Ny ray amandreny ihany koa no tena amporisihana ao anatin’izanyhazoto handefa ny zanany amin’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena” hoy i Lanto, mpampianatra taranja EPS.
Ho an’ireo izay liana moa dia afaka misoratra anarana eny an-kianja, ao amin’ny Terrain kaominina Ankadikely Ilafy, mandritra ny fampianarana. Isaky ny sabotsy, manomboka amin’ny 07ora sy sasany maraina moa izany.
