Mila mitandrina amin’ny asa ratsy ny mpanao fitiliana Covid-19.
Tsy mifidy toerana hanaovan-dratsy intsony ankehitriny ireo mpanao asa ratsy. Tranga efa fahita matetika ihany koa ny hoe any amin’ny toerana tsy hampoizina hisy izany no misy ny asa fandrobana, fanafihana, asan-jiolahy sy ny maro hafa mitovy endrika. Tsy kely lalàna tokoa ny ratsy, ary tsy misy toerana safidiany hanaovana izany. Sahisahy izy ireny ka lasa manatanteraka izany amin’ny toerana tsy hampoizin’ny maro. Efa hitantsika ny trangam-panafihan-jiolahy any amin’ny toerana misy fahoriana, eo ihany koa ny halatra fitaovana any amin’ireny fiangonana ireny izay efa nisy fotoana nampahalaza izany. Ankehitriny, hatrany amin’ny toerana hanaovana fitiliana mararin’ny Covid-19 avy aza no misy manararaotra mangalatra. Isan’izany ireto mpivady saron’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny tetsy amin’ny village voara Andohatapenaka ny 24 martsa lasa teo. Lasibatra tamin’ny asa ratsin’izy mivady ireto ny entan’ny olona mitsabo tena sy mpitsabo tao an-toerana. Mampametram-panontaniana ny maro anefa ny hoe tsy matahotra aretina ve itony olona tonga mangalatra itony sa efa mafy ny tsy fananana asa ka maahatonga azy ireo hanaonao foana?. Tonga amin’ny fitenenana hoe manararaotra ny zava-misy ihainan’ny maro ankehitriny ny mpangalatra ka tsy mahamenatra azy ireo intsony ny manao izany hatrany amin’ny toerana mety hampidi-dozan’ny tenany aza. Manoloana ny trangan-javatra tahaka izao, ilaina ihany koa ny fahamailohan’ny olona rehetra, indrindra fa ireo mpanao fitiliana amin’ny toerana tahaka ireny.
