SocialTsidika

Hetsika hiarovana ny lalampanorenana

Manana adidy goavana amin’ny fiarovana ny lalampanorenana ny solontenan’ny Antenimierampirenena eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana na ny HCC. Tontosa ny 24 Martsa 2021 ny fifidianana ireo solontena roa avy amin’ny Antenimierampirenena ho eny amin’ny HCC. I Rasolo Nandrasana Georges Merlin sy Noelson William no voafidy ho solontena nandritra izany. Niisa 14 ireo nilatsaka ho fidiana, samy mpitsara avokoa, izay nolanian’ireo solombavambahoaka tamin’ny alalan’ny latsa-bato.  I Rasolo Nandrasana Georges Merlin no solontena voafidy voalohany  izay efa nisahana andraikitra maha mpitsara ny vokatra fifidianana azy nandritry ny fitondrana tetezamita, sady Tale kabinetran’ny Praiminitra teo aloha. I Noelson William kosa no voafidy faharoa izay  minisitra ny asam-panjakana teo aloha nandritry fitondrana Tetezamita, tamin’ny taona 2010 ireny. Solombavambahoaka 147 no tonga nifidy. Vato 71 no azon’i Rasolo Nandrasana Georges Merlin ary 68 kosa ny vato azon’i Noelson William.Mametraka ny fahatokisana feno amin’ireo voafidy ireo amin’ny fanajana ny lalampanorenana araka izany ny vahoaka malagasy ary miarahaba azy ireo tonga amin’izao toerana izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire