SocialTsidika

Manana zo ny vehivavy hisehatra eo amin’ny tontolon’ny kabary.

Lahateny atao amin’ny feo avo ka entina hampitana hafatra ary matetika ravahina amin’ny hainteny sy ohabolana sady atrehin’ny olona maro ny kabary. Samy manana ny fomba nitrandrahany ny kabary ny rehetra, izay no mahatonga ny famaritana somary maro amin’izao fotoana izao ny atao hoe kabary. Saingy mifototra avy amin’io avokoa ny famaritana rehetra misy ankehitriny. Maro karazana ny kabary satria maro tokoa ny hafatra hampitaina. Anisan’ireny ny fampitana arahaba amin’ny teny tsotra hoe kabary fiarahabana, ny firariantsoa isan-tsokajiny, ny kabary am-panambadiana izay ahafahana mahafehy ny kabary rehetra anefa ny fahaizana azy, kabary an-karatsiana: fisaorana am-pandevenana, am-bohitra, am-piangonana, ambony fasana.Misy ihany koa ny am-pamadihana. Tsikaritra anefa, fa lehilahy avokoa ny 99% mpikabary eto Madagasikara; izany hoe ny kolotsaintsika eto Madagasikara no mamaritra fa natokana ho an’ny lehilahy io sehatra io. Teo amin’ny fiarahamonina nentim-paharazana, ny lehilahy na ny zokiolona ihany no afaka mikabary. Ankehitriny anefa voizin’ny firenena maro ny mahakasika ny miralenta, izay manome lanja sy mampitovy ny vehivavy amin’ny lehilahy. Vokatry ny fampianarana samihafa mampihofana ny olona hikabary ihany koa, lasa nanana anjara toerana ny vehivavy mpikabary. Anisan’izany ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (FIMPIMA), izay ahitana vehivavy manao izany.  Iray amin’ ireny Rtoa Rasamoekiarisoa Pascaline, vehivavy voalohany niditra ao amin’ny FIMPIMA efa ho 40 taona mahery izay. Rariny sy hitsiny izy raha hanentana ireo vehivavy mitovy aminy mba hazoto hirotsaka amin’io sehatra iray io. Rehareha sy voninahitra ho an’ny vehivavy mantsy izany.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire