CNAPS : Naiditra am-ponja vonjimaika ny DG, ny PCA ary olona efatra hafa
Notanana vonjimaika eny Antanimora ny Tale jeneralin’ny CNAPS, ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana ary mpikambana telo ao amin’ny filan-kevi-pitantanana sy olona iray hafa. Voampanga ho nanodindokim-bolam-panjakana, ho nanararao-pahefana sy ny maro hafa izy ireto. « Olona efatra niaraka amin’ny DG sy ny PCA no naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fitsarana azy ireo. Betsaka ny vesatra niampangana ireto olona avy ao amin’ny CNAPS ireto » hoy ny Tonia mpampanoa lalàna ao ami’nny PAC. “Natolotra ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly ireo olona 6 ireo. Fantatra fa tompon’andraikitra tamin’ny raharaha fanodinkodinam-bola sy tombontsoa mampiahiahy teo amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNAPS” hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny sampan iray miady amin’ny kolikoly. Voampanga ho nanodinkodina volam-panjakana, fanararaotam-pahefana, fanomezana tsy ara-dalàna, fifanolanana tombontsoa, famotsiam-bola ary firaisana tsikombakomba izy ireo.
