Dépêches

Mahabo Menabe: Lehilahy iray nosamborin’ny mpitandro filaminana

16 Martsa, 10h00. Rehefa nanao ny fisafoana tao Ambia, distrikan’i Mahabo ireo zandary avy ao amin’ny brigady Ankilizato dia nifanehitra tamin’ny lehilahy iray nampiahiahy ka niroso tamin’ny fanamarinana sy ny fisavana azy. RANDRIANARISON Sylvin no anaran’io lehilahy io, mpirenireny tsy manana toerana fonenana raikitra izy ka miampitapita ao Analamitsivala, Ambia, Sarognanala, Ankilavalo, Mandabe , Mahabo. Nahatratrarana fanamiana miaramila, mohara sy ody gasy maro ary kiririoka teny aminy. Nosamborina avy hatrany izy nanaovana ny fanadihadia ary natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Morondava ny 15 martsa teo ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Laisser un commentaire