Nodimandry ny mpanakanto « Aloma »
03 Aogositra, 11h10. Nodimandry omaly ny mpanakanto Hanitra Aloma Luce Michelle RATSIMBAZAFY na Aloma, zanaky ny mpanakanto Henri RATSIMBAZAFY. Anisany hira nahafantaran’ny maro azy ilay mitondra ny lohateny hoe « Eto am-baravarankely ». Raha ny fantatra dia nisy aretina nikiky ny tenany.
