Dépêches

Famindram-pitantanana amin’ny sekretera jeneraly vaovaon’ny MEDD

03 Aogositra, 10h00. Voatendry nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny 28 jolay lasa teo Andriamatoa Rasamoelina Andry Fidiniaina Moïse ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Izy no handimby ny toeran’Andriamatoa Rakotoarisoa Miadantsata Indriamanga izay voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny Governemanta. Tontosa ny 2 aogositra teo tao amin’ny IKM Antsahavola ny fifamindran’andraikitra teo amin’ny Sekretera Jeneraly vaovao sy ny teo aloha.

Laisser un commentaire